ALAHADY 19/04/2026

Miarahaba antsika rehetra,

P. Pascal no nitarika ny sorona masina ny alahady 19 avrily teo, niaraka tamin’i P. Fulgence sy P. Toky. Ny “Ekipa sôlida” no nanentana ny litorjia ; Prez. Silvestro sy Mr Hervé no nitendry zavamaneno. Misaotra antsika tonga niara-nivavaka. Tamin’io fotoana io koa (18-19 avrily maraina) dia maro tamintsika no nanao ny Pellegrinaggio teny amin’ny Santuario del Divino Amore. Misaotra antsika tonga niara-nivavaka tamin’izany ihany koa.

Amin’ny alahady 26 avrily izao dia anjaran’ny MDMK ny manomana sy manentana ny litorjia. Anjaran’ny “Fraternità” kosa ny mitady fotoana hanaovana ny fanadiovana ny fiangonantsika ho an’ny volana mey 2026.

Araka ny fanasana izay efa hitantsika ao amin’ny whatsAppn’ny Ankohonana malagasy dia amin’ny alakamisy 4 jiona 2026 izao ny fankalazana manokana ny faha-100 taonan’ny fahatongavan’ny misionera trinitera tany Madagasikara. Manasa ny Ankohonana Rasoamanarivo ry zareo. Hisy lamesa amin’io andro io, amin’ny 18:30, ao amin’ny Bazilika Md Crisogono – Trastevere. Amin’ny teny malagasy ny hira rehetra amin’ny litorjia ka asaina manokana isika amin’ny Ankohonana mba hanamasaka sy hanentana ny litorjia. Mbola hojerentsika ny antsipirihan’ny fiomanana amin’izany.

Mirary soa ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj.