Miarahaba antsika rehetra !
Nentanin’ny ZDA ny litorjia tamin’ny alahady 4 ôktôbra teo ; Mr Silvestro sy Stanislas kosa no nitendry ny zavamaneno. P. Pascal no nitarika ny sorona masina tamin’izany, niaraka tamin’ireo pretra fito mirahalahy hafa tonga tao. Noraisina ho kristianina katôlika Rômanina nandritra ny sorona masina Rabenjamina sady nandray ny “komonio voalohany”.
Hankalaza ny fetin’ny Ankohonana Rasoamanarivo any amin’ny Parrocchia Santa Maria di Nazareth (via Boccea 590, zona Casalotti) isika amin’ny alahady 11 ôktôbra izao. Noho izany, tsy misy ny sorona masina ao amin’ny fiangonana mahazatra San Macuto-Bellarmino.
Entanina izay afaka ny sabotsy 10 ôktôbra tolakandro amin’ny 4 ora mba ho tonga hanomana ny toerana hanaovana ny fetin’ny Ankohonana.
Ny fandaharam-potoana amin’io 11 ôktôbra io :
9:00 : Misokatra ny toerana, fahatongavana
10:15 : Sorona masina
Aorian’ny Sorona masina : Sakafo sy korana
17:00 : Fandiovana sy fandaminana ny toerana
17:30 : Fodiana
Amin’io fety io dia anjaran’ny “Ekipa sôlida” ny manentana ny litorjia. Ny vondrona tsirairay kosa dia efa samy mahalala sy manomana ny fandraisany anjara amin’ny hira sy hetsika ao anatin’izany litorjia izany. Toy izany ihany koa ny momba ny tokon’ny hataon’ny vondrona tsirairay amin’ny resaka sakafo.
Hampitaina amintsika ombieny ombieny ao amin’ny whatsApp Ankohonana ny momba ny fandehanana any amin’ny Parrocchia Santa Maria di Nazareth (bus, metro).
Mankasitraka antsika rehetra.
P. Pascal, sj.