ALAHADY 20/09/2026

Miarahaba antsika rehetra.

Môpera Charles Arsène (vice-Recteur n’ny UCM) no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady 20 septambra teo, niaraka tamin’i P. Daudet sy P. Pascal. Ny MDMK no nanentana ny litorjia ary Mr José no nitendry ny zavamaneno. 

Anjaran’ny ELVIR indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 27 septambra izao, alahady faha-26 mandavantaona (A).

Manasa antsika amin’ny voady mandrakizay, izay hataony ny 3 ôktôbra izao ao amin’ny Chiesa del Centro Giovanile  Padre Minozzi Policoro, i Fr Sitraka.  Ny fanasana dia efa hitantsika ao amin’ny whatsApp Ankohonana Rasoamanarivo.

Amin’ny alahady 04 oktobra 2026 dia hisy ny fandraisana an-dRabenjamina Zafindramparany ao amin’ny Fiangonana Katôlika Rômanina ; ka amin’izany ihany koa no handraisany ny komonio voalohany. Izy dia kristianina vita batisa tao amin’ny Fiangonana rahavavy FJKM ; maniry ny hiditra sy hiombona amin’ny Eglizy Katôlika Rômanina ka efa nanaraka ny dingana fiomanana amin’izany.

Amin’ny alahady 11/10/2026 dia hankalaza ny fetin’ny Ankohonana Rasoamanarivo isika. Any amin’ny “Parrocchia Santa Maria di Nazareth”, via Boccea, 590, zona Casalotti, ny toerana hanaovantsika ny fankalazana. Efa misy moa ny fifampizarantsika andraikitra isaky ny vondrona na fikambanana. Hohamafisina eto aoriana kely ny antsipirihany momba ny fiomanana, ny fanomanana ny toerana ary ny ho fizotran’ny andro fankalazana. 

Mirary  soa ho antsika rehetra.

 

P. Pascal, sj.