ALAHADY 25/10/2026

Miarahaba antsika rehetra

P. Faly no nitarika ny sorona masina ny alahady 25 ôktôbra lasa teo, niaraka tamin’ireo pretra maro tonga tao. P. Massimo Nevola kosa no nizara ny tenin’And/tra tamin’ny alalan’ny toriteny. Ny ELVIR no nanentana ny litorjia ; P. Joslin sy Mr Silvestro ary Mr Stanislas no nitendry ny zavamaneno. Tamin’io sorona masina io no nandraisan’i Luce ny sakramentan’ny batemy. Misaotra antsika izy roa Ray aman-dRenin’ny zaza (Mr Thomass sy Mme Anna Brigitte) noho ny fahatongavantsika niombom-bavaka tamin’izy ireo tamin’io fotoana io. 

Anjaran’ny ZDA indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia ho an’ny alahady 1 novambra 2026 izao. Aorian’ny sorona masina amin’io alahady io dia hisy famangiana ny fasan’i P. Paul Louis Rafanomezantsoa any amin’ny “cimetero del Verano”. Ho an’izay afaka handeha amin’izany dia hamonjy bus avy hatrany aorian’ny lamesa. Amin’io andro io dia misokatra ho an’ny mpamangy ny “cimetero del Verano – Cappella dei Gesuiti” amin’ny 10:00 maraina, ary mihidy amin’ny 17:00.

Efa nanatanteraka ny fandiovana ny fiangonantsika ny MDMK ka isaorana azy ireo. Anjaran’ny ELVIR indray ny fanatanterahana izany ho an’ny volana novambra 2026.

“Il Papa incontrerà il 21 novembre i giovani del Lazio”. Anisan’ireo asaina manokana ho amin’izany ihany koa ny tanora malagasy (“giovani delle Comunità etniche”). Mivonòna sahady àry ianareo tanora fa hampitaina amintsika eo ihany ny antsipiriham-baovao.

Fotoan-dehibe ho antsika ny alahady 8 nôvambra izao : araka ny efa fantatsika dia hisy fifidianana ny Biraon’ny Ankohonana Rasomanarivo aorian’ny lamesa. Manasa antsika ho tonga maro hanatanteraka ny adidy masina mba ho fandraisantsika anjara mivantana amin’ny fampivoarana ny Ankohonantsika. Aza matahotra na misalasala ny mijoro handray andraikitra fa antsika rehetra ny Ankohonana Rasoamanarivo !

Misaotra antsika rehetra.

 

P. Pascal, sj.