Miarahaba antsika rehetra !
Tontosa ny fankalazantsika ny fetin’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo-Roma ny alahady 11 ôktôbra teo. Sorona masina no nanombohana ny fotoana ka i Mgr Fabien, evekan’i Morondava sady Prezidàn’ny Fivondronamben’ny Eveka any Madagasikara, no nitarika izany. Ny “Ekipa sôlida” no nanentana ny litorjia tamin’izany ; A/toa Hervé sy Silvestro no nitendry ny zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia niroso tamin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mikorana. Misaotra, mankasitraka antsika rehetra tamin’ny fahatongavana niara-nisalahy, niara-nivavaka ary niara-nifety. Samy hombàn’ny fahasoavan’And/tra daholo isika rehetra.
Amin’ny 18 ôktôbra 2026, alahady faha-29 mandavantaona A, dia anjaran’ny MDMK indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia. Mbola izy ireo ihany koa no hitady fotoana hanadiovan’izy ireo ny fiangonantsika, san Macuto-Bellarmino, ho an’ity volana ôktôbra 2026 ity.
Amin’ny alahady 25 ôktôbra 2026 dia handray ny sakramentan’ny Batemy i Velombe Luce Irinayela, zanak’i R/toa Anna Brigite sy A/toa Thomas. Ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino, toerana mahazatra antsika, no hanaovana ny Batemy amin’ny sorona masina manomboka amin’ny 9:45. Hiombom-bavaka ho an’izany mandritra io sorona masina io isika.
Hisy adidy goavana miandry antsika ato ho ato. Hifidy ny Birao vaovaon’ny Ankohonana isika ny alahady 8 nôvambra 2026 izao. Ho tapitra atsy ho atsy ny fe-potoana fiasan’ny Birao sy mpanolon-tsaina am-perin’asa. Efa misy famintinana ny tari-dalana hanampy amin’izany nalefa tao amin’ny whatsApp Ankohonana ka anasana antsika mba hamaky azy. Misy ihany koa ao amin’ny https://victoire-rasoamanarivo.it , “Fanomanana fifidianana Biraon’ny Ankohonana (novambra 2026)”. Entanina mba hiomana isika dieny izao, hieritreritra lalina ny amin’izay olona hofidintsika hitondra ny Ankohonana. Tsy misy ny lavorary, saingy misy ny olona te-handray andraikitra, te-hampivoatra sy hampivelatra ny Ankohonana, te-hampiombona sy handray antsika malagasy rehetra ; tsy voatery hiharihary ohatry ny vay an-kandrina anefa ny fahitana izany olona izany. Dinihina sy sainina milamina. Izany indrindra no andinihantsika azy dieny izao. Rehefa avy nandinika ianao, ka hitanao ireo olona eritreretinao hahavita izany, fidio izy amin’io andro io, na olona avy afovoantany, avaratra, atsimo… (fa malagasy).
Mirary soa ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj.