ALAHADY 15/11/2026

Miarahaba antsika rehetra !

Ny “Fraternità” no nanentana ny litorjia tamin’ny alahady 15 novambra 2026 teo, niaraka tamin’ireo mpitendry zavamaneno : P. Joslin, Mr Silvestro ary Mr Stanislas. Nandritra ny sorona masina no nandraisan’i Samat Rémi Ruan ny sakramentan’ny batemy. Nitarika ny sorona masina sy nanao ny batemy tamin’izany i P. Bosco (diosezin’i Morondava), notronin’ireo pretra maro tonga tao. Ny Ray aman-dRenin’i Samat Rémi Ruan dia mamerina indray ny fisaorana antsika rehetra tamin’ny fiarahana nivavaka sy niombona tamin’izy ireo.

Anjaran’ny M.D.M.K. indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny 22 novambra 2026, fankalazana manetriketrika an’i Jesoa-Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao.

Amin’ny sabotsy 21 novambra izao no hihaona amin’ny tanoran’i Lazio i Papa Leone XIV. Hahazo billets maromaro avy any amin’ny diosezy ihany koa isika ho an’ireo tanora malagasy. Entanina noho izany ireo tanora izay maniry hamonjy io fihaonana io mba hilaza mialoha.

Amin’ny alahady 6 desambra 2026 dia hisaotra ny Birao sy mpanolontsaina nitondra nandritra izay telo taona izay isika, ary mbola miantoka ny fampandehanan-draharaha hatramin’izao. Handray ny Birao vaovao ihany koa isika, izay handray ny fitantanana manomboka amin’io fotoana io. Tohanana am-bavaka na ny ekipa am-perin’asa izay ankasitrahantsika, na ny ekipa vaovao izay mbola hisahana ny andraikitra atsy ho atsy.

Hanao ny récollection fiomanana amin’ny Noely 2026 isika amin’ny alahady 13 desambra 2026, alahady faha-3 amin’ny Fiaviana amin’io. Holazaina mazava amintsika eo ny toerana aoriana kely.

Misaotra antsika rehetra,

 

P. Pascal, sj.