ALAHADY 03/05/2026

Miarahaba antsika rehetra !

P. Rémi no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady 3 mey teo, niaraka tamin-dry môpera Barnabé, Daudet ary Pascal. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Prez. Silvestro sy Mr Stanislas no nitendry ny zavamaneno.

Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 10 mey izao. Ny “Fraternità” kosa no hitady fotoana mampalalaka azy ireo handiovana ny fiangonantsika San Macuto-Bellarmino amin’ity volana mey ity.

Fampahatsiahivana ireo daty sy fanasana efa voaray :   

Zoma 8 mey : 

Fihaonana momba ny “Nuovi italiani” any amin’ny “Parrocchia del Santissimo Redentore a Val Melaina”, via Monte Ruggero 63, Roma (metro B-Jonio). Lamesa amin’ny 19:00, laha-dinika isan-karazany manomboka amin’ny 20:00, ary faranana amin’ny “rinfresco”.

Alahady 17 mey :

“Rosario per la Pace”, karakarain’ny “Equipe Pastorale Migrantes” n’ny diosezin’i Roma. Manomboka amin’ny 17:00, ao amin’ny “Basilica di Santa Maria degli Angeli e dei Martiri”, Piazza della Repubblica. Entanina manokana ny fahatongavantsika.

Sabotsy 23 mey :

Manasa antsika ny maseran’ny Senakla hiombona sy hiara-mivavaka amin’izy ireo noho ny faha-200 taonan’ny Fikambanana (1826-2026). Ao amin’ny “Parrocchia San Pio X”, Piazza della Balduina – 00136 Roma, amin’ny 16:00, ny sorona masina fankalazana anasan’izy ireo antsika.

Alakamisy 4 jiona :

Faha-100 taonan’ny nahatongavan’ireo missionera Trinitera voalohany tany Madagasikara. Amin’ny 18:30 ny lamesa ao amin’ny Basilika Md Crisogono (Trastevere). Ny hira amin’ny litorjia amin’io dia amin’ny teny malagasy. Nanasa antsika manokana ry zareo Trinitera amin’ny fanentanana ny litorjia sy ny fanamasahana ny hira.

Mirary soa ho antsika rehetra !

 

P. Pascal, sj.