ALAHADY 13/07/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Pascal no nitarika ny lamesa ny alahady 13 jolay 2025 teo, niaraka tamin’i P. Fulgence sy P. Barnabé. Nanomana sy nanentana ny litorjia kosa ny “Fiombonan’ny pretra sy Relijiozy”. Ny maseran’ny “Sacro Cuore di Ragusa” no nisolotena azy ireo tamin’izany. Prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. 

Anjaran’ny M.D.M.K. ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 20 jolay 2025.

Fampahatsiahivana : 

Mandritra ny volana aogositra 2025 dia hitsahatra ny lamesa isan’alahady ao amin’ny Chiesa san Macuto-Bellarmino ; ny alahady 7 septambra 2025 no miverina manomboka ny taona pastoraly vaovao 2025-2026 ao an-toerana indray isika. Fa alohan’izany, ny alahady 20 jolay 2025 no farany hamonjentsika lamesa ao satria ny alahady 27 jolay dia mivoaka ivelany isika. 

Momba ny famaranana ny taona pastoraly 2024-2025, alahady 27 jolay 2025, dia handeha hitsangatsangana any amin’ny “Parco villa Carpegna” isika. Ao amin’ny Parrocchia San Pio V (Largo San Pio V, 3, 00165 Roma) no hanaovantsika ny lamesa hanombohana an’izany amin’ny 10:30 maraina. Aorian’izany dia handeha tongotra minitra vitsivitsy miala eo amin’ny Paroasy mihazo ny Parco itsangatsanganana isika. Samia manomana sakafo hifampizarana sy fitaovana mety hialana voly (karatra, dômy…). Mbola hisy antsipiriham-baovao hampitaina momba izany.

Mirary soa ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj