ALAHADY 15/02/2026

Miarahaba antsika rehetra !

Môpera Germain no nitarika ny sorona masina ny alahady 15 febroary teo ; niaraka tamin’i P. Pascal. Ny ELVIR kosa no nanentana ny litorjia ; P. Joslin no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. 

Fanamafisana sy filazana manokana ho an’ny alahady 22 febroary izao :

  1. Hiaraka amintsika ao amin’ny Chiesa san Macuto-Bellarmino, ka hitarika ny sorona masina i Mgr Herizo, evekan’i Maintirano, sy Mgr Donatien, evekan’Ambanja.
  2. Ny “Zanaky ny Diosezin’Ambanja (ZDA) no manomana sy hanentana ny litorjia.
  3. Alarobian’ny lavenona ny 18/02 izao. Mety maro no tsy afaka mihosotra lavenona amin’io andro io. Hasiantsika fanosorana lavenona noho izany amin’io alahady io.
  4. Ny rakitra hataontsika amin’io andro io dia hatokana ho fandraisantsika anjara ho fanampiana ireo tra-boina any Madagasikara (Toamasina). Aorian’ny lamesa dia homena mivantana avy hatrany ny eveka mirahalahy izany  ka ho entin’izy ireo an-tanana any Madagasikara. Entanina noho izany isika hiezaka hanolotra arak’izay mba mety ho fahafahantsika. Izay manolotra an-kafaliana no sitrak’And/tra. Mety misy tsy ho afaka ho any  am-piangonana, nefa maniry handray anjara ho fiombonana amin’ny malagasy tra-boina. Azonao alefa avy hatrany any amin’ny Postepay n’ny mpitam-bolan’ny Ankohonana izay foinao ka marihina hoe “tra-boina”: RASOARIMALALA Ernestine 3209060947 ;  raha mila ny IBAN indray dia ity (amin’ny anarana voalaza teo aloha ihany) : IT12K3608105138233851533866.
  5. Hisy “rinfresco” aorian’ny lamesa ka, toy ny mahazatra antsika, dia entanina koa isika hitondra zavatra azo hifampizarana mandritra izany.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj.