Miarahaba antsika rehetra,
Mankasitraka antsika rehetra tonga niara-nankalaza ny sorona masina ny alahady 22 novambra 2026 teo. I môpera Thierry no nitarika ny sorona masina tamin’izany, niaraka tamin’ireo pretra tonga tao sy i Diakra Rock. Ny M.D.M.K. kosa no nanentana ny litorjia, niaraka tamin’ny ekipan’ny mpitendry zavamaneno : P. Joslin, Mr Silvestro ary Mr Stanislas.
Amin’ny 29 novambra 2026 dia ny “Ekipa sôlida” indray no hanentana ny litorjia. Taom-baovaon’ny Fiangonana amin’io fotoana io ka manomboka eo, alahady voalohany amin’ny Fiavian’ny Tompo, dia hiditra amin’ny taona litorjika B indray isika.
Isaorana ny ELVIR nanatanteraka ny fandiovana ny fiangonantsika ho an’ity volana novambra ity ; ny “Fraternità” indray no hitady fotoana hanaovan’izy ireo izany ho an’ny volana desambra 2026.
Amin’ny alahady 6 desambra 2026 dia hisaotra ny Birao sy mpanolontsaina nitondra nandritra izay telo taona izay isika, ary mbola miantoka ny fampandehanan-draharaha hatramin’izao. Handray ny Birao vaovao ihany koa isika, izay handray ny fitantanana manomboka amin’io fotoana io. Tohanana am-bavaka na ny ekipa am-perin’asa izay ankasitrahantsika, na ny ekipa vaovao izay mbola hisahana ny andraikitra atsy ho atsy.
Hanao ny récollection fiomanana amin’ny Noely 2026 isika amin’ny alahady 13 desambra 2026, alahady faha-3 amin’ny Fiaviana amin’io. Eny amin’ny tranon’ny Fratelli di san Gabriele no hanaovantsika izany, via Trionfale, 12840, 00135 Roma (toerana efa nanaovantsika récollection tamin’ny 8 marsa 2026). P. Toky (Razafiarison Toky A. Donah) no hitarika sy hizara amintsika amin’izany récollection izany.
Misaotra antsika rehetra,
P. Pascal, sj.