ALAHADY 27/09/2026

Miarahaba antsika rehetra.

P. Faly no nitarika ny sorona masina ny alahady 27 septambra teo, niaraka tamin-dry môpera Fulgence, Martin (pretra frantsay dominikanina), Joslin ary Pascal. Ny ELVIR kosa no nanentana ny litorjia ; P. Joslin, Mr Silvestro ary Mr Stanislas no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. 

Anjaran’ny ZDA (Zanaky ny Diosezin’Ambanja) ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 4 ôktôbra 2026 izao. Ny MDMK kosa no hitady fotoana handiovan’izy ireo ny fiangonantsika ho an’ny volana ôktôbra 2026.

Manasa antsika amin’ny voady mandrakizay, izay hataony ny 3 ôktôbra izao ao amin’ny Chiesa del Centro Giovanile  Padre Minozzi Policoro, i Fr Sitraka.  Ny fanasana dia efa hitantsika ao amin’ny whatsApp Ankohonana Rasoamanarivo.

Horaisina ho isany sy hiombona amin’ny Fiangonana Katolika Apostolika Romanina Rabenjamina Zafindramparany amin’ny alahady 04 oktobra 2026 izao. Amin’izany ihany koa no handraisany ny “komonio voalohany”. Izy dia kristianina vita batisa tao amin’ny Fiangonana rahavavy FJKM ka efa nahavita ny dingana fiomanana amin’izany firosoana ho katôlika izany. Entintsika am-bavaka izy. 

Amin’ny alahady 11/10/2026 dia hankalaza ny fetin’ny Ankohonana Rasoamanarivo isika. Any amin’ny “Parrocchia Santa Maria di Nazareth”, via Boccea, 590, zona Casalotti, ny toerana hanaovantsika ny fankalazana. Efa misy moa ny fifampizarantsika andraikitra isaky ny vondrona na fikambanana. Ho an’ny litorjia amin’io andro io : iangaviana mba samy handefa any amin’ny “Ekipa sôlida” ny hira nosafidiny, araka ny fifampizarana natao, ny vondrona na fikambanana tsirairay. Hohamafisina manaraka eo ny antsipirihany. 

Amin’ny alahady 25 ôktôbra 2026 dia handray ny sakramentan’ny Batemy i Velombe Luce Irinayela, zanak’i Mma Anna Brigite sy Mr Thomas. Ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino, toerana mahazatra antsika, no hanaovana ny Batemy amin’ny sorona masina manomboka amin’ny 9:45.

Mirary  soa ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj.