ALAHADY 18/10/2026

Miarahaba antsika rehetra.

P. Faly no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady 18 ôktôbra teo, notronin’ireo pretra telo mirahalahy sy diakra Roch. Ny MDMK no nanentana ny litorjia ; P. Joslin sy Mr Silvestro kosa no nitendry ny zavamaneno.

Anjaran’ny ELVIR indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 25 ôktôbra 2026 izao. Marihina moa fa amin’io alahady io no hanaovana batemy an’i Luce ka hiombom-bavaka ho amin’izany isika mandritra ny sorona masina.

Ny alahady 8 novambra 2026 no hanaovantsika ny fifidianana ho fanavaozana ny Biraon’ny Ankohonana Rasoamanarivo -Roma. Entanina mba ho tonga maro isika amin’io fotoana io fa adidy masina no miandry antsika. Ny fandatsaham-bato no amin’io andro io fa ny fitondrana am-bavaka sy fandinihana akaiky ny olona hofidinao sy nofinofisinao hitondra ny Ankohonana dia izao no fotoana efa fijerena azy. Hisy filazalazana momba io fifidianana io halefa manokana amintsika.

Mirary soa ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj.