Miarahaba antsika rehetra !
P. Félicien no nitarika ny sorona masina ny alahady 28 jiona teo, niaraka taminy tao ry môpera Fulgence, Daudet, Barnabé ary Joslin. Ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja (ZDA) no nanentana ny litorjia ; P. Joslin sy Prez. Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.
Fenofeno ny fandaharam-potoanantsika tamin’iny week-end iny : ny sabotsy maraina (27/06) dia nisy ny fanamasinana ho diakra an’i Diakra Amédé salesianina sy ireo namany. Ny hariva tamin’ny 7 kosa dia nisy ny voady farany nataon’izy mirahavavy maseran’ny Trinitera (Roma). Izy ireo dia maneho ny fankasitrahana mitafotafo ho antsika rehetra tamin’ny fiombonantsika tamin’ireo fotoan-dehibe ireo. Ny sabotsy hariva na ny alahady koa, ankoatry ny fotoanan’ny sorona masina alahady, dia nisy ireo fankalazana ny fetin’ny “26 jiona” tamin’ny endrika sy fomba samihafa.
Anjaran’ny “Ekipa sôlida” ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia ho an’ny alahady 5 jolay ho avy izao.
Ireo fanasana voaraintsika sy daty tsara ho fantatra (ka efa hitantsika any amin’ny whatsApp Ankohonana) :
- Sabotsy 04 jolay 2026 : amin’ny 10:30 ny sorona masina hanamasinana ho pretra an’i Diakra Andry Zo ao amin’ny “Famiglia dei Discepoli”. Any Amatrice ny toerana, “presso il Palazzetto dello Sport di Amatrice (RI)”. Ny ampitson’io andro io, amin’ny 11:00, dia hanao ny lamesa voalohany ao amin’ny Auditorium Amatrice i môpera Andry Zo. Efa any amin’ny whatsApp ny andinindininy momba izany. Mety maromaro moa ny mikasa handeha amin’io ka tsara angamba ny mifanao fotoana sy miara-dàlana.
- Alahady 26 jolay 2026 : fivoahana any Orte ho famaranana ny taom-pikatrohana 2025-2026. Mikasa hitady pullman hiarahantsika amin’io ny Ankohonana mba hampirindra kokoa ny fandaharana ; mila fantatra anefa ny isan’ny olona handeha mialoha an’izany, ka angatahina isika rehetra izay handeha mba hanoratra anarana dieny izao any amin’ny aumônier na amin’ny iray ao anatin’ny Biraon’ny Ankohonana Rasoamanarivo (message whatsapp na phone). Hamafisina etoana ny fangatahana antsika hisoratra anarana mba hahamora ny fanomanana.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.
P. Pascal, sj.