Miarahaba antsika rehetra !
Mgr Fidélis, evekan’Ambositra, no nitarika ny sorona masina ny alahady 17 mey teo, izay nankalazantsika an’i Jesoa-Kristy niakatra any an-danitra. Nisy pretra maromaro ihany koa tonga tao nanolotra ny sorona masina niaraka tamin’ny eveka. Tamin’io fotoana io dia nitondra am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin-dRabenarison Marcia koa isika; izy moa dia tovovavy malagasy iray nody mandry tany Firenze. Ny “Zanaky ny Diosezin’Ambanja” (ZDA) no nanentana ny litorjia ; P. Joslin, prez. Silvestro ary Mr Stanislas no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno.
Tamin’io andro io ihany koa, nanomboka tamin’ny 5 ora tolakandro, dia nisy ny “Rosario per la pace” niarahana nanao tamin’ireo “Aumôneries” n’ny firenena maro isan-karazany ato amin’ny diosezin’i Roma. Tao amin’ny Basilika “Santa Maria degli Angeli e dei Martiri” no nanaovana izany. Eto dia mamerina ny fisaorana antsika rehetra tamin’ny fandraisana anjara mavitrika nataontsika tany an-toerana.
Hankalaza ny Pantekôty isika amin’ny alahady izao, 24 mey. Ny “Ekipa sôlida” no hanomana sy hanentana ny litorjia. Hisy “chocolat chaud” koa amin’io aorian’ny lamesa, na dia efa mafanafana aza ny andro, koa samia mivimbina zavatra kely hifampizarana amin’izany.
Fampahatsiahivana ireo daty sy fanasana efa voaray :
Sabotsy 23 mey :
Manasa antsika ny maseran’ny Senakla hiombona sy hiara-mivavaka amin’izy ireo noho ny faha-200 taonan’ny Fikambanana (1826-2026). Ao amin’ny “Parrocchia San Pio X”, Piazza della Balduina – 00136 Roma, amin’ny 16:00, ny sorona masina fankalazana anasan’izy ireo antsika.
Alakamisy 4 jiona :
Faha-100 taonan’ny nahatongavan’ireo missionera Trinitera voalohany tany Madagasikara. Amin’ny 18:30 ny lamesa ao amin’ny Basilika Md Crisogono (Trastevere). Ny hira amin’ny litorjia amin’io dia amin’ny teny malagasy. Nanasa antsika manokana ry zareo Trinitera amin’ny fanentanana ny litorjia sy ny fanamasahana ny hira.
Alahady 7 jiona :
Araka ny efa hitantsika ao amin’ny whatsApp Ankohonana dia manasa antsika hiombom-bavaka aminy i P. Abel (diosezin’Ambositra) amin’ny “Voeux perpétuels” izay hataony.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj.