Miarahaba antsika rehetra !
Ny alahady 8 marsa teo, fankalazana ny andron’ny vehivavy, no nanaovantsika ny récollection fiomanana amin’ny paka. Tany amin’ny tranon’ny “Fratelli di San Gabriele”, via Trionfale, no toerana nanaovana azy. P. Mamy no nitarika ny sorona masina nanombohana ny fotoana ary P. Mickael no nanao ny fampianarana na tari-dresaka ho an’ny récollection. Ny Fiombonan’ny pretra sy relijiozy (maseran’ny FMA) no nanentana ny litorjia. P. Joslin sy Prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Misaotra antsika rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana iny fiarahantsika nivavaka iny.
Amin’ny alahady izao, 15 marsa, dia anjaran’ny MDMK ny manomana sy manentana ny litorjia ; hitady fotoana handiovana ny fiangonantsika ihany koa izy ireo ho an’ity volana marsa ity.
Aza hadino ny datin’ny fivahiniana masina karakarain’ny “Migrantes Roma” amin’ny 18 avrily izao : miainga amin’ny sasakalina ao amin’ny Circo Massimo, mizotra ho any amin’ny Santuario del Divino Amore. Lamesa eny an-toerana, hotarihin’ny “Cardinale Vicario”, amin’ny 5 ora marainan’ny alahady 19 avrily.
Ampiomanina dieny izao isika ny amin’ny fifandaminana ho an’ny Herinandro masina :
Alakamisy masina :
Mpanentana : ZDA
Vakiteny I : Ekipa sôlida
Vakiteny II : Pretra sy Relijiozy
Ranombavaka : MDMK, ELVIR, Fraternità
Zoma masina :
Mpanentana : Ekipa sôlida
Vakiteny I : Pretra sy Relijiozy
Vakiteny II : MDMK
Ranombavaka : ELVIR, Fraternità, ZDA
Sabotsy masina :
Mpanentana : Pretra sy Relijiozy
Vakiteny I : MDMK
Vakiteny II : ELVIR
Vakiteny III : Fraternità
Vakiteny IV : ZDA
Ranombavaka : Ekipa sôlida, Pretra/Relijiozy, MDMK
Misaotra antsika rehetra,
P. Pascal, sj.