FIFIDIANANA BIRAON'NY ANKOHONANA - ROMA

FIFIDIANANA BIRAON’NY ANKOHONANA RASOAMANARIVO

Alahady 08 nôvambra 2026

 

Hoy Md Paoly tamin’i Timote : “…ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao” (2 Tim. 4, 5). Nandray ny Fanahy, fahasoavana, maha-zanak’And/tra tamin’ny Batemy isika rehetra ; afaka mitory ny Evanjely amin’ny fomba samihafa eo amin’ny manodidina antsika, eo amin’ny mpiray Fiangonana amintsika. Aza matahotra àry na misalasala isika ny maneho sy mampiasa izay fahasoavana izay hanasoavana ny be sy ny maro.

Daty sy fotoana : alahady 08/11/2026, aorian’ny lamesa

Mpanomanan ny fifidianana : ny komity am-perinasa

Mpifidy : ny rehetra (afa-tsy ny ankizy kely)

Koa satria ho tara isika vao mody dia hisy “chocolat chaud” sy tsakitsaky maivana amin’io fotoana io.

Olona 7 handrafitra ny Biraon’ny Ankohonana no hofidintsika amin’io fotoana io : Prezidà, Prezidà lefitra, Sekretera, Sekretera lefitra, Mpanampin’ny mpitam-bola (2) ary ny mpiandraikitra fitaovana ao am-piangonana.

Hatao in-telo miatoana ny fifidianana :

  • Hifidy ny Prezidà sy ny Prezidà lefitra
  • Hifidy ny Sekretera sy Sekretera lefitra
  • Hifidy ny Mpanampin’ny mpitam-bola (2) sy ny mpiandraikitra fitaovana ao am-piangonana.

Tongava maro isika amin’io fotoana io. Tsy hampatahotra antsika akory ny fifidianana fa vao maika tokony hampirodorodo antsika ho tonga satria fanehoana izay eritreretintsika na nofinofisintsika hanatsarana ny Fiangonana-Ankohonana. Samia mandinika dieny izao izay olona hitanao hoe afaka hisahana ary hitondra rivo-baovao hamelombelona sy hampivelatra kokoa ny Ankohonana Rasoamanarivo. Fidio izy amin’io andro io hanehoanao ny adidinao eo amin’ny Ankohonana.

Mirary soa ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj.