Ny Ankohonana dia isan'ireo nanao ny Fivahiniana Masina marialy teny amin'ny Santuario del Divino Amore, izay nokarakarain'ny Diosezin'i Roma. Vao nitaika ny minitra voalohan'ny alahady 19 aprily no niainga teo amin'ny Circo Massimo ny dia.
Nosantarina tamin'ny Sorona Masina notarihan'i kardinaly Baldo Reina ny andro mihiratra rehefa nipaka teny amin'ny Santuario del Divino Amore tamin'ny 5 maraina.
Mankasitraka ny rehetra nanao izay nahatombomba iny diantsika iny, sy ireo izay tonga niara-nizotra.





