Tantara

TENY FAMPIDIRANA

 

Indro atolotra antsika ity fitantaràna tsotsotra sy fohifohy momba ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo mpiaro antsika ity. Tafiditra ao anatin’ny tsingerin-taona voalohany nananganana ity Fiangonana Katolika Malagasy eto Roma izay nifidy an-dRasoamanarivo ho mpiaro azy ity izany, ka ho fanampiana antsika hahalala bebe kokoa ny fiainana sy hatsaram-panahin’ilay Mpiaro antsika, araka ny lohateny nofidina. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny vanim-potoana fiomanana ara-panahy amin’ny hanambaran’ny Fiangonana ampahibemaso fa azo antsoina sy hajaina eo amin’ny laharan’ny Olomasina i Victoire Rasoamanarivo vehivavy Malagasy, izay angatahintsika sy antenaintsika am-pinoana mba tsy ho ela intsony.

 

Tsy hoe tantara feno ny fiainany manontolo no atolotra eto fa dia famintinana ihany sy filazalazana ireo zava-dehibe sasany nanamarika ny fiainan’ity Mpanompon’Andriamanitra fahavelony. Mbola ho avy ireo boky mandalina bebe kokoa ny tantarany sy ny hafatra navelany. Ny irariana dia ny mba hankafizantsika rehetra dieny izao ny mamy navelan-dRasoamanarivo ho antsika zanany am-panahy aty am-pielezana.

 

 

FAHAZAZANY - BATEMY - MARIAZY

 

Tamin’ny taona 1848 no teraka Rasoamanarivo, zana-dRainandriantsilavo sy Rambahinoro izay anabavin-dRainilaiarivony (Praiministra nandritra ny fotoana ela 1864-1895), zafikelin-dRainiharo efa Praiministra koa sy mpitari-tafika nalaza. Fahefatra tamin’ny fito mianadahy izy, nonina tao Ambatondrafandana Avaradrova ry zareo. Nobeazina tao anatin’ny fomban-drazana sy fanompoan-tsampy izy, ary dia nanaraka izany an-kitsim-po nandritra ny fahazazàny. Tao anatin’ny vanim-potoana ela nanjakan-dRanavalona I Mpanjakavavy tsy norefesi-mandidy izany, ka nankahalàn’ity farany ity ireo vazaha, nandrarany sy nanenjehany tamin’ny fomba mampihoron-koditra ireo kristianina (tsaroana eto ireo kristianina protestanta marobe maty maritiry tamin’izay), ary nanaovana ny fanompoan-tsampy ho fivavaham-panjakana.

 

Nisy ihany anefa tamin’izany fotoan-tsarotra izany pretra zezoita frantsay afaka niakatra sy nitoetra tao Antananarivo. Niova anarana sy nitonona ho manam-pahaizana momba ny haitao samihafa, niaraka tamin-dry Jean Laborde sy De Lastelle izy ireo. I mompera Finaz izay naka anarana hoe Mr Hervier, i mompera Webber nantsoina hoe Mr Joseph ary mompera Jouen (izay efa voatonona ho Vikera Apostolikan’i Madagasikara tamin’izany) natao hoe Mr Duquesne. Avy dia nahazo ny fon’ny printsy Rakoto zanaky ny Mpanjakavavy (izay ho tonga Radama II aoriana kely) izy ireo, ka nahatonga ity zatovo ity hanohitra ny politikan-dreniny sy hangetaheta ny fivavahana katolika. Marihina fa i mompera Finaz no nanolotra ny Lamesa voalohany indrindra teo amin’ny tany Malagasy ny 8 jolay 1855 fa niafina noho ny fanenjehana no nanaovana izany Lamesa voalohany izany, ary nanatrika teo koa ny Printsy Rakoto.

 

Ny volana aogositra 1862 no nisokatra ny sekoly voalohany ho an’ny zazavavy izay notantanan-dry masera saint Joseph de Cluny tao Andohalo, ka anisan’ireo voalohany nisoratra anarana sy nianatra tao Rasoamanarivo kely niaraka tamin’i Eulalie Rasija rahavaviny. Nataony tamin-kafanam-po ny fianarana, fa ny tena nahafinaritra azy sy nironany dia ny katesizy. Vetivety dia nambabo an’i mamera Gonzague ny hafanam-po sy ny fahazotoan’ity zazavavikely. Koa na dia mbola mpiomana amin’ny batemy aza izy dia efa nanankinan-dry mompera sahady ny fampianarana katesizy ny “mpanompo” na ny “ankizin’olona” noho ny hakingany sy fahamasinany.

 

Ny 1 novambra 1863 no nanaovana batemy an-dRasoamanarivo izay efa 15 taona ka nanomezana anarana amin’ny batemy azy hoe Victoire. 26 mianadahy no niara-natao batemy ry zareo. Ny fianakaviany anefa dia efa niandany tamin’ny fivavahana protestanta, ka norahonan-drainy tsy handova azy izy raha hiditra ho katolika, fa ny reniny no nandamina ny resaka. Ny 17 janary 1864 kosa no nanaovany ny Komonio voalohany manetriketrika niaraka tamin’ireo namany zazavavy 23 hafa mpianatry ry Masera ary samy hafa saranga. Io no fankalazana Komonio voalohany indrindra manetriketrika tao Antananarivo.

 

Tao anatin’izany fotoana izany ihany koa no nampahafantarana an-dRasoamanarivo ny fikasan’ny fianakaviana ny hanolotra azy ho vadin-dRadriaka (Ratsimatahodriaka no tena anarany) izay zanak’i Rainilaiarivony izay anadahin-dreniny ihany. Ka na dia nanana faniriana niafina ny hanao relijiozy toa an-dry masera aza izy, dia nanaiky ny torohevitry ry mompera ihany (izay nahatsinjo mialoha ny hahasarotra izany) ka nanaiky hanambady rehefa nandalina tsara ny momba ny mariazy kristianina. Hotsaroany aoriana izany toro-hevitra izany, fa tsy ho afaka nanao izay vitany nandritra ny tsy naha-teo ny misionera tamin’ny ady 1883-1886 izy raha ho nanao relijiozy hoy izy. Ny 13 mey 1864 ary no notanterahina ny fomba Malagasy amin’ny fanambadiana. Noho ny faharetan’i Victoire dia vita soa aman-tsara ihany koa ny fombam-pivavahana katolikan’ny mariazy na dia efa tamin’ny 10 alina aza vao nanaiky ny ankilany.

 

 

VEHIVAVY TIA VAVAKA SY MASIM-PIAINANA

 

Tamin’ny alalan’ny fitiavam-bavaka nahagaga sy ny faharetana teo anoloan’ny fijaliana ara-panahy samihafa no nanamasinan’i Victoire ny fiainany. Nanana fitsipi-piainana manokana mandamina ny fivavahana ataony mandritra ny andro izy, izay nankatoavin’ny mompera mpitantana ara-panahy azy. Mbola vao amin’ny telo maraina izy dia efa nifoha sy nanao ny vavaka maraina tao an-tranony. Ary amin’ny efatra maraina dia efa indro mizotra midina ho any am-piangonana arahin’ny mpanompo niambina sy nitsilo ny lalana tamin’ny fanala. Dia izy no voalohany tao am-piangonana aorian-dry mompera, dia nivavaka ela mandra-panomboky ny Lamesa maraina. Ary rehefa vita ny Sorona Masina dia mbola mijanona ela ao ihany izy manohy ny vavaka sy rozery ary ny fibanjinana ny Sakramenta Masina, vao mody amin’ny 9 ora any manao ny adidiny any an-trano na an an-dapa. Ny tolakandro dia amin’ny telo ora dia efa midina any am-piangonana indray hanohy ny fivavahana fanaony mandritra ny adiny roa eo. Dia toy izany hatrany isan’andro ny fandaharam-potoanany ary tsy nisy nahasakana azy tsy hanatanteraka izany, na ny fampitahorana  toy ny tora-bato amin’ny maraina, na indrindra ny fanakivian’ny vadiny sy ny havany sy ny fanerena azy hifindra protestanta. Ny aretina lehibe ihany no hany nahatana azy teo am-pandriana ka tsy nahafahany nidina tany am-piangonana.

 

Ny Sorona Masina no faratampony teo amin’ny vavaka nankamamian-dRasoamanarivo. Ny famonjeny izany isan’andro no nahazoany hery hiatrehany ny fiainany andavanandro. Ka raha sendra nolazoin’ny aretina izy dia nangataka ny hanateran-dry mompera ny Komonio tany an-tranony izay voaravany fatratra toy ny lasapely kely isaky ny ho avy ny Hostia Masina. Nomena alalana manokana mihitsy aza izy taty aoriana mba hahazo mandray komonio isan’andro (izay mbola tsy azon’ny lahika natao tamin’izany). Nandritra ny fotoana tsy naha-teo ny Misionera tamin’ny adin’ny fanjakana frantsay sy Malagasy (1883-1886) dia anisan’ny nampahory azy indrindra ny tsy naha-teo intsony ny Sakramenta Masina sy ny tsy fisian’ny Lamesa. Ivelan’ny Sorona Masina moa dia ny famangiana sy fitsaohana ny Sakramenta Masina no nimasoany isan’andro. Matetika izy eo am-pibanjinana ny Tabernakla dia toa ahatarafana hafaliana sy hazavana tsy hay lazaina ny endriny hoy ireo nahita. Mandohalika maharitra izy eo anatrehan’ny Sakramenta Masina ka zary nampisy takaitra kely ny lohaliny izany. Fatratra ny fanomanany ny fety sy ny dia mivavaka (procession) miaraka amin’ny Sakramenta Masina nankeny Ambohipo fahizany.

 

Anaisan’ny nankamamiany fatratra sy nandaniany fotoana ela ny fanaovany sapile na vavaka fanajana an’i Masina Maria izay nanokanany ny tenany. Ankoatr’izay fanaony amin’ny ora voalahatra, dia mitanisa ny sapile miaraka amin’ireo mpanompony izy raha vao misy fotoana malalaka na eo am-panaovan-draharaha. Voalazan’ireo nahita maso fa naniry kitro mihitsy ny rantsan-tanany vokatry ny fanaovany sapile ranolava. Nanana toerana manokana manatrika ny Otelin’i Masina Maria izy tao am-piangonana tao Andohalo. Nony voatsangana ny fikambanam-behivavy katolika nantsoina hoe “zanak’i Masina Maria” tamin’ny taona 1876 dia i Victoire Raoamanarivo no voafidy ho Filoha voalohany indrindra, ary dia tsy nitsahatra nanentana ny namany tamin’ny fitiavana sy fanajana an’ilay Reny Masina indrindra.

 

Anisan’ny endrika fanamasinan-tena nimasoany mandra-maty koa ny fifadian-kanina matetika. Nataony mandavan-taona izany isan-joma, indrindra moa nandritra ny Karemy sy ny fotoan-dehibe sasany ary rehefa nanao laretirety iny izy. Endrika miramirana lalandava anefa no nasehony sy nanekeny hitondra fijaliana teo amin’ny vatany toy izany. Nanao famolahan-tena manokana sy mafimafy hatrany izy isaky ny hankalaza ny fety lehibe na raha nisy fahasoavana lehiba sy manokana nangatahiny. Nanao asa fampijalian-tena miafina izy hangatahany ny fiovana sy fibebahan’ny vadiny. Nivavaka sy nanolotra fanonerana ho an’ny olon-drehetra izy. Taorian’ny nahafatesany no nahitana ny lisitr’ireo nanolorany vavaka manokana isan’andro : na ho an’ny Fiangonana, dia ny Papa sy ny mpitondra ny Fiangonana ary ny mpino rehetra, na ho an’ny Malagasy rehetra, indrindra ny Mpanjaka, ny Praiministra, ny havany mba hitodika amin’Andriamanitra.

 

Tsy mba nitsanga-menatra velively na natahotra i Victoire teo anatrehan’ny fanarabiana sy fandrahonana azy tsy hivavaka. Tao an-dRova (satria vehivavy tandapa vadin’ny Komandy Ambonin’ny tafika izy ka nankany isan’andro), rehefa hisakafo, na rehefa tonga ny fotoan’ny Anjelisy antoandro dia nitsahatra tamin’ny asa fanaony izy dia nandohalika nivavaka teo imason’ny rehetra ka nahavaky vava na dia ny Mpanjaka sy ny Praiministra aza, izay tonga niaro azy tamin’izany avy teo. Fomba maro no nitarihana azy handao ny fivavahana sy ny fiangonana katolika mba hifindra protestanta, fa tsy nisy naharesy lahatra azy. Norahonana ny tsy hahazo hilevina am-pasan-drazana sy tsy hahazo handova aza izy fa tsy nisy nahoany izany rehetra izany. Rehefa noroahina ireo misionera katolika (1883-1886) dia izy no nijoro niaro ny mpino katolika sy nitarika azy ireo ho ao am-piangonana ka nampilavo lefona ireo miaramila mpiambina.

 

Fatratra ny fitiavany sy fanampiany ireo Eveka sy pretra ary relijiozy, izay nankatoaviny teny tamin’ny zavatra rehetra. Tsy nitsitsy vola aman-karena hanasoavana sy hampandehanana ny asam-piangonana izy. Afaka nanelanelana teo anatrehan’ny Praiministra sy ny Mpanjaka rahateo izy raha nisy olana na fandrahonana sy fampijaliana natao tamin’ny mpino katolika. Niaro mandrakariva ireo misionera katolika frantsay izy izay nampangaina ho nifandray tendro tamin’ny vazaha frantsay mpanjana-tany. Nampahory azy ny nandroahana ireo pretra frantsay, ka nahatonga azy hitalaho amin’ny Mpanjaka mba hanafarana misionera katolika tsy frantsay mba hiahy ny katolika. Fatratra koa ny fanehoany ivelany ny fifikirany amin’ny fivavahana sy fomba katolika. Tao an-tokantranony dia feno sary masina : ny Fo Masin’i Jesoa, ny Lakroa Masina, ny Anjely Mpiambina, Masina Maria, Masindahy Josefa, ny sisan-taolan’i masimbavy Victoire… Nanana Lakroa fanomezan’ny Papa Pio XI izy izay tsy nisaraka taminy mandra-maty.

 

 VEHIVAVY FENO HATSARAM-PANAHY TAO AN-TOKANTRANO

 

Vao 16 taona izy no nampanambadiana an-dRatsimatahodriaka zanaka lahimatoan-dRainilaiarivony Praiministra izay sady anadahin-dreniny. Na dia mbola tanora aza izy dia efa nahatsapa ny hasin’ny fanambadiana sy ny halehiben’ny adidy miandry azy, ka niezaka ho mendrika ny vadiny izay voatendry ho Komandy ambonin’ny Tafika sady 16 voninahitra. Naneho hatrany fitiavana sy firaiketam-po manontolo tamin’ny vadiny izy, na dia vetivety aza dia hita miharihary ny toetra ratsin-dRadriaka izay tonga mpanitsakitsa-bady sy sakaizan’ny toaka sy ny loka. Niteraka fijaliana maharitra ho an-dRasoamanarivo izany toetram-badiny izany ; kanefa dia noleferiny tamin-kerim-po sy faharetana lehibe izany sy ny fanarabian’ny olona azy.

Tao an-tokantranony dia izy no niandraikitra ny zavatra rehetra na dia nanana mpanompo marobe an-jatony aza ry zareo. Izy no nandamina sy nizara ny raharaha rehetra, ary dia nirotsaka nanatanteraka niaraka tamin’izy ireo koa. Tsy mba nampijaliany velively ireo ankiziny ireo fa noraisiny toy ny zanany naterany tsy nisy tombo sy hala. Izay nanana olana dia nampiany, izay narary dia notsaboiny, izay niteraka dia nahazo fanampiana manokana, izay te-hivoatra dia nomeny tany sy vola hanorina fiainana vaovao tsy ho mpanompo intsony, izay nodimandry dia nividianany lambamena hamonosana azy. Nampianariny ny fivavahana katolika sy nomaniny hatao batemy ny ankamaroan’ny mpanompony.

 

Azo lazaina ho vehivavy tsotra sy fatra-panaja ny tokantranony i Victoire. Sarobidy indrindra taminy ny hasin’ny fanambadiana kristianina amin’ny maha-tokana sy tsy azo ravàna azy. Hentitra tamin’ny fitandroana ny fahadiovam-po ao amin’ny fanambadiana izy, ka niala maina sy afa-baràka izay sahy nisodisody sy nisangisangy tao an-dapa. Narovany hatramin’ny farany ny fanambadiany na dia efa tapa-kevitra ny hampisaraka azy tamin-dRadriaka aza ny rehetra hatramin’ny Praiministra sy ny Mpanjakavavy. Tsy mba izy no hanala baràka ny vadiny amin’ny resaka nataony, fa dia niaro azy fatratra aza no nataony hanafenany ny kilema ratsin’ity fatra-panitsakitsaka ny tokantrano. Faharetana mahagaga no nasehony ka nanekeny ny toetran-dRadriaka nefa koa nananarany azy tamin-kalemem-panahy. Anisan’ny nampiaiky volana ny rehetra ny fihetsiny isan’andro manasa ny tongotry ny vadiny rehefa mody ao an-tokantrano, izay tsy navelany hataon’ny mpanompony na dia ireo aza no tokony hanao izany. Nivaly teo amin’ny ora farany ny vavaka tamin-dranomaso nataon-dRasoamanarivo mba hibebahan’ny vadiny. Teo amoron’ny fahafatesana noho ny ratra mafy nahazo azy rehefa avy niliba ka tsy nahatsiaro tena vokatry ny alikaola iny, dia sady notsaboiny ity vadiny efa niala aina no noresahiny ny hamonjena ny fanahiny. Koa dia nanaiky hibebaka sy hatao batemy Radriaka ; fa noho ny fotoana efa hamehana tsy nahazoana pretra intsony dia izy Victoire no nanao batemy azy ka nanome anarana azy hoe Joseph ; ary segondra vitsy taorian’izay no nodimandry ilay vady malalany.

 

Na dia nanokana fotoana betsaka ho an’ny fivavahana aza i Victoire dia vitany an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra. Tsy mba be rendrarendra izany izy fa tso-piainana na teo amin’ny fomba fitafy na momba ny sakafo. Izy no nikarakara manokana ny vadiny tamin’ny lafiny rehetra na teo aza ny hadalan’ity faharoa. Na dia mpandao ny tokantranony mandritra ny fotona lava aza Radriaka, dia vatrany hatrany ny mandio azy sy mampihinana azy rehefa sendra mba miverina izy. Fandeferana mahagaga no nentiny nandefitra ny fanitsakitsahana ankitsirano azy tao an-tokantranony izay nahasahian’ny vadiny nitondra vehivavy ratsy fitondran-tena aza. Fananarana hentitra nefa tamin-kalemem-panahy no nasetriny ny ditram-badiny. Nanome voninahitra ny vadiny tamin’ny asan’ity faharoa hatrany izy, ary vitany koa ny nanova an-dRadriaka ho mpanohana sy mpanao soa ho an’ny fiangonana sy ny sekoly katolika rehefa nisy fety na lanonana natao. Tany an-drova indray dia anisan’ireo vehivavy mpampifaly ny Mpanjakavavy izy, nefa dia nataony tamim-pahamaotonana izany ka nampiaiky volana ny rehetra.

 

Vehivavy feno fahamalinana ary lalim-pandinihana Rasoamanarivo, ka tsy mba niteny zavatra tsy nisy heviny na mety hahatohina ny hafa. Tsotra  sy tsy misy olakolaka ny fiteniny ; ary dia nofadiany ny hanao na hihaino resaka valavala na fandanian’andro foana. Nahay nihaino ny rehetra koa anefa izy, indrindra izay nila vonjy sy nitaraina taminy. Fony izy nankany an-drova isan’andro (izay tsy notohiziny intsony nony maty Radriaka vadiny) dia zary mampahatsiaro ny rehetra ny tsy tokony hanaovana teny na fihetsika hafahafa na tsy mihaja ny fisiany teo anivon’izy ireo. Hainy koa anefa ny nampifaly ny rehetra tamin’ny lalao madio sy ny hira izay nankamamiany fatratra.

 

Nisaona an-dRadriaka mandra-pahafatiny i Victoire ka nanao akanjo mainty sy fisampina ary fihogo mifanaraka tamin’izany nanomboka teo. Taorian’ny nahafatesam-badiny koa dia nanokana ny androny manontolo saika ho an’ny vavaka sy ny asam-piangonana Rasoamanarivo. Tsy nandalàny vola aman-karena izany nefa koa nataony tamim-panetren-tena sy fahanginana. Fatra-pandala ny fahamarinana izy ka tsy tantiny sy notoheriny hatrany ny fanambakana sy fanararaotana ny hafa ary ny sisi-bola sy fakàna ranondranony.

 

 VEHIVAVY TIA NAMANA SY NANGORAKA NY MADINIKA ISAN-KARAZANY

 

Tsy ny fiainam-panahy ihany no nahamasina an-dRasoamanarivo fa ny fiainany ny didim-pitiavan’i Kristy ka nananany fitiavana manokana ireo madinika samihafa. Tsy arakaraky ny toerana nisy azy teo amin’ny fiaraha-monina fahizany, izay tsy namela ny hifangaroharoan’ny tsy mitovy saranga, fa dia nanavanana azy ny fiahiana ny mahantra sy ny marary, ny gadra sy ny boka, indrindra moa ireo mpanompony marobe izay nentiny sy notiaviny toy ny zanany.

 

Tsy niteraka rahateo moa izy mivady koa dia ireo mpanompony no nanolorany ny fon-dreny be fitiavana na dia marobe aza izy ireo. Navelany hitoetra tao an-tranony ny ankamaroany, ary dia izy mihitsy no nirotsaka nahandro sy nizara sakafo ary niara-nihinana tamin’izy ireo. Tsy nisy navelany ho latsaka ambany fa nampitoviany ny fitondrana azy ireo, nefa notsinjoviny manokana koa ireo osaosa sy maro anaka. Tsy nahamenatra azy ny niara-dia tamin’izy ireny teny an-dalana, ny niara-nivavaka sy niara-nitafatafa na niara-nilalao tamin’izy ireo. Tsy mahagaga raha betsaka tamin’ireo mpanompony izay nampianariny ny finoana katolika no natao batemy ary dia lasa kristianina mafana fo.

 

Ny fiahiana ny mahantra dia toy ny nandeha ho azy taminy noho ny fitiavana mivaivay tao am-pony. Tsy nisy nangataka zavatra na fanampiana taminy ka voatosi-bohotanana. Nafoiny avokoa ho an’ny mahantra na sakafo na fitafiana na vola na zavatra hafa. Betsaka ireo mahantra nila fitsaboana maharitra no noraisiny an-tanana sy nampiantranoiny tao aminy vao nampodiany. Toa hain’Andriamanitra ny nitantana ny fiainany tamin’izany fahafoizana tsy misy fetra izany, ka nony ho faty izy dia hay efa tsy nanana na inona na inona intsony hozaraina, ka nandiso fanantenana izay nitetika ny handova azy.

 

Anisan’ny nananany tombom-pitiavana manokana koa ireo marary samihafa, indrindra ireo nararin’ny habokàna izay tena voailika teo amin’ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany. Nampanaterany vola, sakafo sy lamba hatrany izy ireo, ary novangiany koa. Toy izany koa ireo gadra izay tena nijaly tokoa, dia nanehoany fiahiana manokana satria tsy mba nisy mpikarakara. Nampandraisiny andraikitra tamin’izany asa fanasoava-namana izany koa ireo vehivavy mpikambana tao amin’ny “Zanak’i Masina Maria”.

 

 

VICTOIRE RASOAMANARIVO : SANTATRY NY LAHIKA MANDRAY ANDRAIKITRA AO AMIN’NY FIANGONANA

 

Azo lazaina ho nifamatotra tamin’ny tantaran’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa tamin’izany ny tantaran’ny fiangonana katolika vao niorina. Misionera frantsay rahateo no ankamaroan’ireo namafy ny voan’ny finoana katolika ka avy dia nahina ho nifandray tendro tamin’ireo vazaha nitetika ny hanjanaka ny firenena izy ireo. Ny faramparan’ny volana mey 1883 ary no vaky ny ady teo amin’ny tafika frantsay notarihin’ny Amiraly Pierre izay efa tafiditra tao Mahajanga sy ny tafiky ny fanjakana niambina ny morontsiraka andrefana. Nivoaka ny didin’ny Praiministra nandroaka ny vazaha rehetra hiala an’Antananarivo alohan’ny faran’ny volana izany hoe ao anatin’ny telo andro monja.

 

Nandritra izany telo andro (27, 28, 29 mey) izany dia feno olona andro aman’alina ny Katedraly : olona nikonfesy, namonjy Lamesa sy nitsaoka ny Sakramenta Masina izay tsy maintsy hoentin’ny misionera, nanao vavaka ranolava isan-karazany sy nitomany ary nanolotra vatsy ho an’iro tsy maintsy handeha. Nony tonga ny ora farany dia nisy resaka nataon’i mompera Caussèque curé ny katedraly tamin’i Victoire izay voatahiry toy izao : “nony niakatra tany an-danitra i Kristy, dia nijanona hankahery fo ireo apostoly i Masina Maria. Torak’izany koa ianao mandritra ny fotoana tsy haha-eto ny misionera, tsy maintsy ho Anjely Mpiambina ny misiona katolika sy hanohana ny mpino. Maro ny azonao hatao ho azy ireo, fa ianao sady zanak’anabavy no vinanton’ny Praiministra, ary tia vavaka arahateo”. Dia sady nitomany Rasoamanarivo no namaly toy izao: “mompera ô, tsy hahavita be aho, fa hanao izay vitako”. Nanomboka teo izy dia tena niseho ho andry sy ray aman-drenin’ireo kristianina katolika. Niara-niasa taminy i frera Raphaël Louis Rafiringa relijiozy lahy Malagasy voalohany izay vao 29 taona monja izay nitantana ny fikambanan-dehilahy Union Catholique, sy ry masera Malagasy voalohany Juliette, Léonie ary Bénilde, ary Antoine Radilifera zanakalahin’ny Praiministra nefa vontom-pinoana tokoa.

 

Adidy goavana tsy maintsy natrehin’izy ireo indrindra ny momba ireo nivadi-pinoana ho protestanta noho ny tahotra sy ny fandrahonana maro, indrindra tany ambanivohitra. Saika efa ho ampahatelon’ny vita batemy manko no nandao tsikelikely. Ny fomba tsotra nefa mahomby natoron-dRasoamanarivo ka narahin’izy rehetra dia ny hoe : “aoka aloha isika hanamasin-tena, dia hiara-mikarakara izay hanamasina ny hafa. Halaintsika tahaka ny Apostoly, rehefa lasa i Jesoa, fa nivavaka izy ireo tao amin’ny Senakla alohan’ny hielezany eran’izao tontolo izao”. Fomba fiasa natorony koa ny hoe “karakaraontsika tsara aloha ny fivavahana any amin’ny paroasy efatra eto an-tanàna (Andohalo, Ambohimitsimbina, Ambavahadimitafo, Mahamasina), mba hampatoky ny hafa sy halainy tahaka. Avy eo isika manampy ny any ambanivohitra”.

 

Na dia nambenana aza ny varavaran’ny Katedraly dia tsy nahasakana an’i Victoire sy ny olona marobe tsy hiditra sy hivavaka tao ny fandrahonana. Nampiseho herimpo mahagaga izy ka niteny tamim-pahasahiana hoe : “tsy nandrara ny fivavahana katolika velively ny Mpanjaka. Te-hivavaka izahay ary zonay izany. Tsy misy afa-misakana ahy tsy hiditra. Na hamoizako ny rako aza, tsy maintsy miditra aho”. Dia toy izany hatrany isaky ny nisy olana na ramatahora natao ireo kristianina hatraiza hatraiza dia nantsoina i Victoire mba handamina sy hankahery. Nanampy betsaka ny asan’ny “Union Catholique” nivondronan’ireo lehilahy niandraikitra ny fandalinam-pinoana sy fikarakarana ny Fiangonana rehetra ny fijoroany sy ny fananarana ombieny ombieny nataony mba tsy hivaona amin’izay nolazain-dry mompera ny zavatra rehetra hatao. Dia notontosaina hatrany ireo vavaka rehetra fanao tsy misy pretra, ny fanomanana amin’ny batemy ireo izay nangataka izany, ny matsom-panahy isan-karazany, ny fitsidihana ny fiangonana sy sekoly katolika niely patrany, ny fiahiana ireo mahantra sy osa, ny gadra, ny boka… Naharitra telo taona teo hatramin’ny taona 1886 izany tsy nisian’ny misionera izany.

 

 FAHAFATESANY, FANDEVENANA

 

Toa tsy nampoizina ihany ny nahafaingana ny hahafatesany. Marina fa efa nihaosa ny fahasalamany hatramin’ny taona 1893, ka nampahalana ny nahafahany nankany am-piangonana hamonjy lamesa isa-maraina. Vizana namonjy ny vavaka mandeha miaraka tamin’ny Sakramenta Masina teny Ambohipo izy no toa niharatsy tampoka ny fahasalamany. Ny 18 aogositra 1894 no tena niharatsy ny toe-javatra ka nitondrana azy avy any am-piangonana ho any an-tranony. Namangy azy ry mompera ary koa ny Praiministra. Nony nihombo ny aretina dia tsy nitsahatra nivavaka sy nampivavaka ireo tafavory nanodidina azy izy. Indrisy anefa fa tsy nahatratra ny ainy ny pretra nantsoina maika hanao ny fanosorana farany, na dia efa nanomana azy handray izany aza fotoana vitsy nialoha. Nampandrenesina koa i Monsenera ka avy hatrany dia nidodododo fa efa tapitra ny ainy vao tonga.

 

Tao anaty fahatoniana tanteraka no nahafatesan-dRasoamanarivo ny 21 aogositra tolakandro. Ny fitanisana ny sapile sy fibanjinana ny sarin’ny Fo Masin’i Jesoa no namaranany ny diany tety an-tany. Niantsoantso an’i Masina Maria izy teo amin’ny segondra farany : “ry Neny, ry Neny”. Ranomaso niharo fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra no nirotsaka hatraiza hatraiza. Toa very reny mpiahy ireto kristianina vao niana-mandeha,nefa koa feno toky fa ho mpivavaka ho azy ireo any an-danitra i Victoire manomboka izao. Nandritra ny fiandrasana ny razana teo am-bohitra dia nanao ranolava ny olon-drehetra, katolika, protestanta, Malagasy sy vazaha na olon-tsotra tsy mpino, hiondrika farany eo anoloan’ny nofo mangatsiakan’ity vehivavy be herimpo sy modelin’ny finoana ity.

 

Ny zoma maraina 24 aogositra 1894 no nentina niala tao an-tranony ho any amin’ny Katedraly ny razana. Vahoaka aman’aliny no tomefy nanaraka sy nidera an’Andriamanitra. Taorian’ny Sorona Masina manetriketrika dia nihazo ho any amin’ny fasan-dRainiharo ao Isotry ny razana. Mbola niandry ny ampitso araka ny fomban-drazana tao amin’ny fianakaviana vao nasitrika. Lambamena maro sosona sy ambony karazana no nampombana azy, ary dia nampanarahana azy ny fitaovam-pivavahana tsy nahasaraka azy toy ny sapile sy ny Lakroa. Dia ireny no tena nahafantarana ny razana raha natao ny famadihana sy ny famindrana ny taolambalony ho eny amin’ny fasan-dry mompera eny Ambohipo tamin’ny taona 1961, nandritra ny fankalazana ny fahazato taonan’ny fiangonana katolika tao Antananarivo.

 

Na dia efa nisy hatrany aza ny fahatsiarovana an-dRasoamanarivo isaky ny tsingerin-taona nahafatesany dia taorian’ny nananganana azy ho Olontsambatra vao tena nihanalaza sy nanetriketrika izany. Teny Ambohipo aloha dia nisy hatrany ny Sorona Masina lehibe isaky ny 21 aogositra. Herintaona taorian’ny fananganana ho Olontsambatra no nisy ny famadihana lehibe faharoa sy famindrana azy ho eny Andohalo izay nanorenana lasapely nasiana ny fasany teo an-tokotanin’ny Katedraly. Hatreo vao tena nihanahazo vahana ny fanehoam-panajana sy fitiavana an’i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra Malagasy voalohany ary indrindra ny fangataham-pahasoavana manokana amin’ny alalany.

FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA SY HO OLOMASINA

 

Efa hatramin’ny fahavelony, teo amin’ny nahafatesany, ary indrindra taty aoriana dia samy niaiky ny rehetra hoe : “tena olomasina i Victoire Rasoamanarivo”. Efa nieritreritra ihany ny hanombohana ny fikarakarana ny fananganana ho Olontsambatra sy Olomasina ny mpitondra fiangonana tamin’izany ; nefa noho ny nipoahan’ny fikomian’ny Menalamba sy ny Ady Lehibe voalohany dia tsy tanteraka avy hatrany izany. Efa ho 40 taona taty aoriana (1932) i Monsenera Etienne Fourcadier vao nandray an-tanana ny raharaha, araka ireo dingana samihafa takian’ny Fiangonana : fanadihadiana momba ny fiainany sy hatsaram-panahiny, momba izay voasorany, ny “hanitry ny fahamasinany”…, ary tamin’ny taona 1960 ny fanadihadiana momba ny fahasitranana iray noheverina ho fahagagàna azo tamin’ny alalan’ny vavak’i Victoire Rasoamanarivo. Nandritra ny nankalazàna ny faha-100 taonan’ny Misiona Katolika tao Antananarivo ny taona 1961 no namindrana ny taolambalon-dRasoamanarivo ho any amin’ny fasan’ny misionera any Ambohipo araka ny faniriany fahavelony.

 

Ny 14 mey 1983 no nankatoavan’ny Papa Joany Paoly II fa azo antsoina sy hajaina eo amin’ny laharan’ny “Vénérable” i Victoire Rasoamanarivo ; ary fotoana fohy taorian’io no nanekeny ho fahagagàna ilay fahasitranan’ny vehivavy Malagasy iray tany Mahajanga tamin’ny taona 1933, ka nanaovany sonia ny didy mamela ny fananganana ho Olontsambatra. Ary dia ny 30 avrily 1989 tao Antsonjombe Antananarivo no nanatanterahan’izy Joany Paoly II ny fananganana ho Olontsambatra teo anatrehan’ny mpino nihoatra ny enina hetsy. Ary dia napetraky ny Fiangonana ho ny 21 aogositra daty nahafatesany ny andro ankalazana ny fetiny ao amin’ny litorjia.

 

Nanomboka teo vao tena niseho ny fitiavan’ny olona an’i Victoire ka nahatonga ny Fivondronan’ny Evekan’i Madagasikara hanapa-kevitra ny hanorina lasapely eo anoloan’ny Katedralin’Andohalo hametrahana ny taolambalony sy hanaovan’ny olona fivahiniana masina. Nifanojo tamin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny nahafatesan’ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo ny nanombohan’ny kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra nitondra ny Arsidiosezin’Antananarivo tamin’ny taona 1994, hany ka dia roboka avy hatrany izy hanohy ny fikarakarana ny fananganana ho Olomasina. Tsy tambo hisaina ireo fitantarana fahasoavana samihafa azon’ny olona tamin’ny alalany, na ara-nofo na ara-panahy no nangoniny sy nanaovany na nampanaovany fandinihana sy fanasivanana nandritra ny taona maro. Tamin’ny taona 2003 vao nisy fahasitranana iray “heverina ho mahagaga” ka notanana hanaovana fanadihadiana araka ny angatahan’ny Fiangonana, dia fahasitranana tampoka sy  manontolo nitranga tamina zazakely teraka tanaty fahasamponana tsy nahitam-panafody (antsoina hoe “hydrocéphalie congénitale”) tamin’ny taona 1998. Satria manko fahagagàna iray sisa angatahan’ny Fiangonana hanekena ny fananganana ho Olomasina.

 

Koa dia nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 2004 ny fanadihadiana samihafa tany Madagasikara, dia nitohy teto Roma, mitondra amin’izany fikarakarana ny fananganana ho Olomasina an’i Victoire izany. Dingana maro sy sarotra tokoa no nolalovana, ary lazaina ho efa amin’ny dingana farany izao ny fikarakaràna. Any an-tanindrazana dia efa natomboka ny fiomanana ara-panahy, ara-pahalalàna ny fiainana sy hafatra navelan’i Victoire Rasoamanarivo, ary izay endrika fiomanana hafa hiatrehana ilay andro lehibe izay inoantsika fa tsy ho ela intsony fa angatahana amin’Andriamanitra hambaran’ny Papa Ray Masina amin’ny fotoana izay sitrany. Ho antsika “aty am-potony” hoy ny fitenenana dia tsy hataontsika ambanin-javatra ny fiomanana rehetra, sady isika indrindra no hanomana sy hikarakara mivantana izany androm-pahasoavana lehibe andrandraintsika mianakavy izany.

 

 TENY FAMARANANA

 

Ao amin’ny fikarakarana ny fananganana ho Olomasina dia misy fandalinana hoe inona ary indrindra mbola mitombina ho antsika ankehitriny sy ho an’ny Fiangonana eran-tany ve ny hatsaram-panahy sy hafatry ny fiainan’ilay Mpanompon’Andriamanitra. Raha ny momba an’i Victoire Rasoamanarivo dia tsotra ny valinteny hoe eny. Tsy lehilahy izy fa vehivavy ; tsy mba relijiozy fa kristianina lahika tao anatin’ny fanambadiana kristianina ; ary vehivavy tandapa niaina tamin’ny vanim-potoana tena sarotra nijoroana ho kristianina dia tamin’ny fanombohan’ny fitoriana ny fivavahana kristianina sy nampahery ny fanenjehana samihafa.

 

Tsy isalasalàna fa olomasina toy izany no tena ilaintsika kristianina ankehitriny, ho fakan-tahaka amin’ny herimpony, ny fitiavam-bavaka niainany, ny faharetany sy tsy fivadihany, ny fitiava-namana… Olomasina toy izany no tena ilain’ny Fiangonana manontolo izay voaantso ho fanasina sy fahazavàna eo anivon’izao tontolo izao toa mihamanalavitra an’Andriamanitra. Olomasina toy izany no tena ilaintsika Malagasy tsy vaky volo ho toy ny kintana fitarikandro. Volamena latsaka am-bovoka tokoa ny fiainan-dRasoamanarivo ka tsy navelan’ny hasoany tsy hamiratra. Kao aza mitsahatra miantso an’i Victoire Rasoamanarivo mba hivavaka, hifona sy hitalaho fahasoavana ho antsika rehetra isan’andro.

 

(P. RAKOTO HAJANIRINA Patrick Marie, Vice-Postulateur de la Cause de canonisation de la Bienheureuse VictoireRASOAMANARIVO)